Anarana

Ny anarana dia teny na andian-teny enti-manondro na milaza zavatra, manana aina na tsy manana aina, hita maso na tsy hita maso, azo tsapain-tanana na tsy azo tsapain-tanana, na toerana na fotoana. Raha ilazana sokajin' olona na biby na zavatra na hevitra sns mitovy toetra ny anarana dia izany no atao hoe anarana iombonana. Raha anondroana singan' olona na biby na zavatra na hevitra sns manokana ny anarana dia izany no atao hoe anaran-tsamirery. Ny tarika foronin' ny anarana sy ny teny na andian-teny mameno azy no anatao hoe "tarika anarana".


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search